FETIM-PIRENENA 26 JONA -AMBOVOMBE ANDROY
Fanolorana Loka ho an'ireo Mpandresy 🎉
Notanterahina ny fanolorana loka ho an'ireo mpifaninana voahosotra nandritra ireo fifaninanana ara-panatanjahantena sy fifaninanana nokarakarain'ny Fiadidian'ny Faritra Androy, notarihin'Andriamatoa Lehiben'ny Faritra Androy, Dr RAHARIJAONA Djiby Jean Berthinot FIRAVOA.
Nanolotra valisoa sy mari-pankasitrahana ho an'ireo ekipa sy mpandray anjara mendrika ny tompon'andraikitra, ho mariky ny fanohanana sy fampiroboroboana ny fanatanjahantena ary ny fandraisana andraikitra amin'ny fampandrosoana ny fiarahamonina.
Baolina Kitra
- 1er: Vola 2.000.000 Ar
-2ème: Vola 1.500.000 Ar
-3ème: Vola 500.000 Ar
- 4ème: Vola 500.000 Ar
Basketball
1er: Vola 1.000.000 Ar
2ème: Vola 500.000 Ar
3ème: Vola 300.000 Ar
Fifaninanana Fokontany Madio
1er: Vola 500.000 Ar + Bac à Ordures 2 Savony 2 baoritra + Sûreau 1 baoritra
2ème: Vola 300.000 Ar + Bac à Ordures 1, Savony 1 baoritra + Sûreau 1 baoritra
3ème: Vola 200.000 Ar + Bac à Ordures 1, Savony 1 baoritra + Sûreau 1 baoritra
Arahabaina ireo rehetra nahazo loka sy ireo mpandray anjara rehetra noho ny ezaka sy ny fandraisany anjara.
Isaorana manokana ny Fiadidian'ny Faritra Androy tamin'ny fikarakarana sy ny fanohanana izao hetsika izao, izay nandray anjara tamin'ny fanamafisana ny firaisankina sy fiombonana
Faritra Androy
Galerie d'images
Cliquez sur une image pour l'agrandir.
Aucun commentaire publié pour le moment. Soyez le premier !