13 FEBROARY 2026 - FAMETRAHANA FARITRA AROVANA ANDRANOMASINA ANDROY
Publié le : 14/02/2026
Mba hahafahana mametraka ny fiaraha-miasa ifotony hanaraha-maso ny sisidranomasin'ny Faritra Androy dia napetraka amin'ny fomba ofisialy ny ho fanatanterahana Ilay atao hoe "Air Marine Protégée", mba ho fikajiana maharitra ny vokatra andranomasina (gestion durable et rationnelle des ressources marines).
Ny Kaominina Maroalopoty no nanombohana izany fiaraha-miasa amin'ny TETIK'ASA WCS izany. Ny Fitaleovam-paritra ny Jono sy ny Toekarena Manga, ary ny Fitaleovam-paritra ny Tontolo ianana sy Fampandrosoana Lovainjafy
no sampan'asa manara-maso ifotony ny asa rehetra ataon'ny tetik'asa. Eo ihany koa ny Kaominina, ny Distrika ary ny Faritra.
Nohamafisina izany mba ho fomba fanao fa tokony ho trandrahina amin'ny marina sy ara-dalàna ireo harena andranomasina ireo.
Nitarika izany fanokafana izany amin'ny fomba ofisialy ny Lehiben'ny Faritra Androy Dr RAHARIJAONA Djiby Jean Berthinot sy ny solotenan'ny Tetik'asa WCS ary ny Ben'ny Tanàna Maroalopoty.
Ny fiaraha-mientana no hamongorana ireo asa ratsy andranomasina.
Galerie d'images
Cliquez sur une image pour l'agrandir.
