17 febroary 2026 - DISTRIKA BEKILY Fanamafisana fahaiza-manaon'ny KOMITY MPANATANTERAKA NY DINA (KMD) sy fampahafantarana ny mahakasika ny DINAN'I ANDROY sy ireo fanatsarana ao anatiny
Logo Région Androy
MINISTERE DE L'INTERIEUR ET DE LA DECENTRALISATION

REGION ANDROY
Menu Principal

17 febroary 2026 - DISTRIKA BEKILY Fanamafisana fahaiza-manaon'ny KOMITY MPANATANTERAKA NY DINA (KMD) sy fampahafantarana ny mahakasika ny DINAN'I ANDROY sy ireo fanatsarana ao anatiny

Publié le : 24/02/2026

Mitohy hatrany ny dia fifampizarana sy fampahafantarana ety ifotony ny momba ny Dina sy ny fanatsarana misy ato anatin'ny Kaominina 58 ny Faritra Androy izay notsinjarana amin'ny toerana 17.
💥 Ho an'ny Distrika Bekily manokana dia notanterahina tao BERAKETA, BEKILY, BESAKOA ary BEKITRO ny Fampiofanana.
Komity Mpanatanteraka ny Dina dimy isaky
Kaominina nofanina tamin'ireo kaominina19.
Nitarika izany ny Solotenan'ny Lehiben'ny Faritra , RASOLONDRAIBE Germain, izay DAGR ny Faritra Androy , izay fiaraha-miasa amin'ny Mpitsara mpanao famotorana nisolotena ny Filohan'ny Fitsarana , ny Lehiben'ny Sampandraharaha misahana ny lalàna eo anivon'ny Faritra, ary notronin'ireo Ben'ny Tanana ao antoerana.
-💧Mahaleotena tanteraka ny Komity Mpanatanteraka ny Dina hanatanteraka ny fampiharana izany Ary tsy itsabahan'ny mpanao politika na zandary ny asan'izy ireo.
Tsy maintsy ialohavana fahazoan-dalana amin'ny Lehiben'ny Distrika anefa ny fanatanterahana izany Dina izany.
💧Isaorana manokana ny PBF(Fonds pour la Consolidation de la paix), PNUD Madagasikara , Tetik'asa LANDJA ary ny Association MAGNASOA nitantsoroka nahafahana nanatanteraka izao asa izao.
♦️Fifanarahana iombonana sy Fifampifehezana ho fandrindrana ny fiaraha-monina no tanjon'ny DINAN'I ANDROY.

Galerie d'images

Cliquez sur une image pour l'agrandir.