14 FEBROARY 2026 - FAMETRAHANA VATO FOTOTRA HANAMBOARANA 𝐓𝐑𝐀𝐍𝐎 𝐅𝐈𝐓𝐄𝐇𝐈𝐑𝐈𝐙𝐀𝐌-𝐁𝐎𝐊𝐀𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐎 𝐁𝐄𝐊𝐈𝐋𝐘 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐘
Logo Région Androy
MINISTERE DE L'INTERIEUR ET DE LA DECENTRALISATION

REGION ANDROY
Menu Principal

14 FEBROARY 2026 - FAMETRAHANA VATO FOTOTRA HANAMBOARANA 𝐓𝐑𝐀𝐍𝐎 𝐅𝐈𝐓𝐄𝐇𝐈𝐑𝐈𝐙𝐀𝐌-𝐁𝐎𝐊𝐀𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐎 𝐁𝐄𝐊𝐈𝐋𝐘 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐘

Publié le : 15/02/2026

Ao anatin’ny fandaharanasa Afrikana ho an’ny Famatsiam-bola ny Fitantanana ny Loza sy ny Tandindon-doza (ADRiFi), izay vatsian’ny Banky Afrikana ho an’ny Fampandrosoana (BAD) ary tanterahin’ny CPGU, dia natomboka tamin’ny fomba ofisialy ny asa fananganana trano fitahirizam-bokatra roa ao Fort Dauphin (Faritra Anosy) sy Bekily (Faritra Androy). Koa anio sabotsy 14 febroary ny an'ny Bekily.

Tranobe miisa roa no hatsangana, izay mahazaka 200 taonina ny iray hitahirizana vokatra, ary mahazaka 50 taonina kosa ny iray hitahirizana karazana masomboly sy zezika.
Ireo fotodrafitrasa stratejika ireo dia mikendry ny hanamafy ny faharetan’ny mponina any Atsimo manoloana ny haintany miverimberina. Hanampy ny mpamokatra hitahiry tsara kokoa ny vokatra azony izy ireo, hanangona tahiry amin’ny vanim-potoanan’ny fahavokarana ary hisorohana ny fivarotana maika amin’ny vidiny ambany.

Ny fisian’ny tahiry eny an-toerana dia hanatsara ihany koa ny fahavononana sy ny fandraisana andraikitra haingana raha misy vonjy taitra, sady hampihena ny saran’ny fandefasana sy ny fitaterana.

Amin’ny alalan’ity fandaharanasa manan-danja ity dia manamafy ny fanoloran-tenany ny CPGU sy ny mpiara-miombon’antoka aminy amin’ny fanamafisana ny fiarovana ara-tsakafo sy ny fahaiza-miatrika ny fiovan’ny toetr’andro any amin’ireo faritra marefo.

Nitarika ny delegasiona tamin'izany ny Lehiben'ny Faritra Androy Dr RAHARIJAONA Djiby Jean Berthinot , notronin'ny avy amin'ny Fitaleovam-paritra ny Fambolena sy Fiompiana Androy sy ny Lehiben'ny Distrika Bekily.

Galerie d'images

Cliquez sur une image pour l'agrandir.