06 Janoary 2025 - FIVORIANA SY FIFANAKALOZAN-KEVITRA VOALOHANY NIARAHAN'NY LEHIBEN'NY FARITRA AMIN'NY TALEMPARITRA SY MPIARA MIOMBONANTOKA
Logo Région Androy
MINISTERE DE L'INTERIEUR ET DE LA DECENTRALISATION

REGION ANDROY
Menu Principal

06 Janoary 2025 - FIVORIANA SY FIFANAKALOZAN-KEVITRA VOALOHANY NIARAHAN'NY LEHIBEN'NY FARITRA AMIN'NY TALEMPARITRA SY MPIARA MIOMBONANTOKA

Publié le : 07/01/2026

Ho tohin'ny fampahafantarana ny lalan- tsaina fampandrosoana ny Faritra Androy, sy ireo vina telo dia nizara roa ny fanasan'i Dr RAHARIJAONA Jean Berthinot miahy ny Faritra Androy

1-Nandray ireo Talem-paritra sy tompon'andraikitra arampanjakana eto Androy ny maraina ;
2-Ireo mpiaramiombonantoka isan-tsokajiny ny tolakandro.

Nifantoka tamin'ny fampahatsiahivana ireo tanjon'ny Fanavaozana ny Repoblika sy ny tokony hitondrana ny asa rehetra ny lahatenin'ny Lehiben'ny Faritra;
- Ny Vahoaka no masimadindy,
- Fahatoniana ho an'ny vahoaka
- Fampandrosoana iaraha manao
- Fitantanana tsy miolankolaka amin'ny asa rehetra.

Samy nilaza ny ezaka vitany sy ny fomba fiasa ireo Talemparitra sy mpiaramiombonantoka.

Raha ny fahataran'ny fandraisana andraikitra ara-panjakana no nisongadina ho olana ankilany dia ny tsy fahampianireo tanora voaray amin'ny sehatry ny asa no olana andaniny.

Samy vonona hifanome tanana ho fampandrosoana Androy ny rehetra. Voaporofo izany tamin'ny fahatongavana sy famaliana ny antso.

- Ny fifampiresahana sy fifanatonana ary fampitana vaovao ara-potoana amin'ny Lehiben'ny Faritra hitadiavana vahaolana miaraka sy handraisana fanapahan-kevitra no anisan'ny vahaolana naroson'ny Lehiben'ny Faritra.
- Mbola hisy ny fihaonan'ny Lehiben'ny Faritra hanehoan'ireo mpiaramiombonantoka zavabitan'ny tsirairay araka ny fotoam-piasany ary tetipivoarana hataony.
- Hozaraina ao amin'ny tranokala KOROBO ny Faritra ireo fandraisana mpiasa rehetra misy ato anatin'ny Faritra
- Hitsidika isaky ny birao isam-paritra ny Lehiben'ny Faritra hisian'ny fandrindrana miaraka ny asam-pampandrosoana .
- Tokony hifanaraka amin'ny filan'ny Faritra ny tetik'asa rehetra izay atao amin'ny Faritra fa tsy milatsaka avy any ivelany fotsiny araka ny nambaran'ny Lehiben'ny Faritra.

Andao hiara hiasa ho Sambo iray hanjono ny fampandrosoana an'ny Androy.

Galerie d'images

Cliquez sur une image pour l'agrandir.