ISAN-KERITAONA FAHA 32 NY TOBY MAHAVELO MIRAY AMIN’NYTOBY LEHIBE ANKARAMALAZA
Logo Région Androy
MINISTERE DE L'INTERIEUR ET DE LA DECENTRALISATION

REGION ANDROY
Menu Principal

ISAN-KERITAONA FAHA 32 NY TOBY MAHAVELO MIRAY AMIN’NYTOBY LEHIBE ANKARAMALAZA

Publié le : 10/03/2026

Notanterahina teto Ambovombe Androy ny fanokafana ny ISAN-KERITAONA FAHA 32 ny Toby Mahavelo.

Niaraka niombom-bavaka amin'ny mpino sy vahoaka nanatrika sy nasaina ny solotenam-panjakana notarihin'ny Lehiben'ny Faritra Androy mivady Dr RAHARIJAONA Djiby Jean Berthinot sy ireo Talem-paritra sy mpiasam-bahoaka maro na voafidy na voatendry.

Toy ny rano sy vary ny olom-panjakana sy ny fiangonana satria miaina anatin'ny fiarahamonina sy beazina ara-pinoana, ary ny fahefana rehetra dia avy amin'ilay RAY TSITOHA nahary antsika.

Nandritra ny fandraisam-pitenana nataon' i Lehibe Faritra no nanambarany fa manohana ny Fiangonana sy ny fiombonana mandrakariva ny fanjakana indrindra ny Faritra.
Tamin'izany ihiany koa no nanolorany fanampiana avy amin'i Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika Kolonely RANDRIANIRINA Michaël mivady ho an'ny mpizaika mandritra ny vavaka fanompoana.

Mirary herin'andro ombam-pitahiana sy finoana amin'izao ISAN-KERITAONA FAHA 32 ny Toby Mahavelo izao.

Galerie d'images

Cliquez sur une image pour l'agrandir.