26 DESAMBRA 2025-FAMINDRAM-PITANTANANA TEO AMIN’NY LEHIBEN’NY FARITRA MPISOLO TOERANA TEO ALOHA SY NY LEHIBEN’NY FARITRA ANDROY VAOVAO
Logo Région Androy
MINISTERE DE L'INTERIEUR ET DE LA DECENTRALISATION

REGION ANDROY
Menu Principal

26 DESAMBRA 2025-FAMINDRAM-PITANTANANA TEO AMIN’NY LEHIBEN’NY FARITRA MPISOLO TOERANA TEO ALOHA SY NY LEHIBEN’NY FARITRA ANDROY VAOVAO

Publié le : 26/12/2025

Notanterahina androany zoma 26 Desambra 2025, ao amin’ny Biraon’ny Faritra Androy ny Famindram-pitantanana teo amin’ny Lehiben’ny Faritra mpisolo toerana RASOLONDRAIBE Germain sy ny Lehiben’ny FARITRA ANDROY VAOVAO
Dr RAHARIJAONA Djiby Jean Berthinot

Tonga nanotrona izany ny Lehiben’ny Fileovana Ambovombe, ny mpanolotsaina manokana ny Filoha Repoblika Fanavaozana, ny avy amin’ny OMC Androy , ireo Talemparitra miasa ato anatin’ny Faritra , ireo olompanjakana sy ny tsy miankina, ny Fianakaviam-be ny Faritra, ny teo anivon’ny Université CURA , ireo fanagnandrae sy Fianakaviana,

Nandritra ny lahateny nifandimbiasana no nisaoran’ny Lehiben’ny Faritra vaovao ny ezaka vitan’ny mpisolo toerana teo aloha.

Nambaran’ny Lehiben’ny Faritra vaovao ny fisaorany ny Filohan’ny Repoblikan’ny Fanavaozana Kolonely RANDRIANIRINA Michaël amin'ny fatokisany nanendry azy hitantana ny Faritra Androy.

Nohamafisiny fa DIMY IZAY IRAY I ANDROY ; Dimy no Distrika Androy fa tsy Ambovombe irery.
Tsy hisy Distrika hatao ankilabao hoy ny Lehiben’ny Faritra satria ny fandrosoan’ny Kaominina no fandrosoana ny Distrika ary fampandrosoana Distrika no fampandrosoana ny Faritra.
Fampandrosoana iarahamanao mba ho fitsinjovana ny vahoaka no tanjon’ny Repoblikan’ny Fanavaozana.

Galerie d'images

Cliquez sur une image pour l'agrandir.