MDAT, Faritra Androy, TETIK'ASA MIONJO : Fanolorana fiara tsy mataho-dalana vaovao 01 sy moto miisa 02 avy amin'ny Tetikasa MIONJO
Logo Région Androy
MINISTÈRE DE LA DÉCENTRALISATION ET DE L'AMÉNAGEMENT DU TERRITOIRE

REGION ANDROY
Menu Principal

MDAT, Faritra Androy, TETIK'ASA MIONJO : Fanolorana fiara tsy mataho-dalana vaovao 01 sy moto miisa 02 avy amin'ny Tetikasa MIONJO

Publié le : 25/07/2025

Notoloran'ny Tetikasa MIONJO fiara tsy mataho-dalana vaovao miisa 01 miaraka amin'ireo kojakoja miaraka aminy androany faha 23 Jolay 2025 ny Faritra Androy ho fanohizana ny fiaraha-miasa misy eo anivon'ny roa tonta.

Ny Distrika Antanimora Atsimo sy ny Fitaleovam-paritra ny Fitsinjarampahefana sy Fananantany kosa Samy nahazo moto iray avy.

Velom-pisaorana ny Goverinora ny Faritra Androy MOSA TATASOA, amin'ny Tetikasa MIONJO raha nandray Ilay fiara eto amin'ny toeram-piasany.

Marihana moa fa ny Tetikasa MIONJO dia, vatsian'ny Banky Iraisam-pirenena vola tsy averina.
Efa ela no nisy ny fiaraha-miasan'ny roa tonta ary efa maro ireo asa sy fanampiana azon'ny Faritra Androy ankoatra ity fiara tsy mataho-dalana vaovao ity dia efa nisy ny :
- Fanolorana fiara tany aloha, moto ho an'ny CROC Ary ireo fitaovana enti-miasa (ordinateurs).
- Mankasitraka hatrany ny MIONJO sy ny Fitondram-panjakana ny Faritra Androy.

Galerie d'images

Cliquez sur une image pour l'agrandir.