MDAT, Faritra Androy, Tetik'asa MIONJO : Fanolorana fiara tsy mataho-dalana vaovao 01 sy moto miisa 02 avy amin'ny Tetikasa MIONJO
Logo Région Androy
MINISTERE DE L'INTERIEUR ET DE LA DECENTRALISATION

REGION ANDROY
Menu Principal

MDAT, Faritra Androy, Tetik'asa MIONJO : Fanolorana fiara tsy mataho-dalana vaovao 01 sy moto miisa 02 avy amin'ny Tetikasa MIONJO

Publié le : 25/07/2025

Notoloran'ny Tetikasa MIONJO fiara tsy mataho-dalana vaovao miisa 01 miaraka amin'ireo kojakoja miaraka aminy androany faha 23 Jolay 2025 ny Faritra Androy ho fanohizana ny fiaraha-miasa misy eo anivon'ny roa tonta.

Ny Distrika Antanimora Atsimo sy ny Fitaleovam-paritra ny Fitsinjarampahefana sy Fananantany kosa Samy nahazo moto iray avy.

Velom-pisaorana ny Goverinora ny Faritra Androy MOSA TATASOA, amin'ny Tetikasa MIONJO raha nandray Ilay fiara eto amin'ny toeram-piasany.

Marihana moa fa ny Tetikasa MIONJO dia, vatsian'ny Banky Iraisam-pirenena vola tsy averina.
Efa ela no nisy ny fiaraha-miasan'ny roa tonta ary efa maro ireo asa sy fanampiana azon'ny Faritra Androy ankoatra ity fiara tsy mataho-dalana vaovao ity dia efa nisy ny :
- Fanolorana fiara tany aloha, moto ho an'ny CROC Ary ireo fitaovana enti-miasa (ordinateurs).
- Mankasitraka hatrany ny MIONJO sy ny Fitondram-panjakana ny Faritra Androy.

Galerie d'images

Cliquez sur une image pour l'agrandir.