TETIKASA MIANATRA ANDROY-FIZARANA IREO ZAVA-BITA SY FANOKAFANA TAMIN'NY FOMBA OFISIALY NY FERME SCOLAIRE SIHANAMARO
Publié le : 17/03/2026
Notanterahina ny zoma 20 sy 21 febroary 2026, ny fijerena ifotony ireo asa vitan'ny Tetikasa MIANATRA tato amin'ny faritra androy, izay notarihin'ny lehiben'ny Tetikasa Philippe LeMay, teo ambanin'ny fitarihan-dramatoa minisitry ny fanabeazam-pirenena Mme Hanitriniaina Elys Karena. Ny EPP Centre Ambovombe, EPP Amboro Bekokako ary ny ferme scolaire SIHAMARO no notsidihina tamin'izany.
Maro ireo asa vita, mifameno manatsara ny fampianara eny ifotony. Anisan'izany ireo asa mikasika ny "Cantine scolaire", "TaRL", "coin de lecture", FEFFI, Jaridainan-tsekoly, Fahasalamana, fanjariantsakafo, Rano, Fanadiovana, Fidiovana ary ny VOAMAMI.
Natao nandritra izany fitsidihana izany ny fanomezana "certificat Ecole Amie de WASH niveau 1" ny EPP centre sy EPP Amboro bekokako. Nomena certifcat ihany koa ireo Mampianatra sy ray amandrenin'ny mpianatra nahavita fihofanana "Ecole des parents", miisa 64. Ary nandritra ny atrikasa nampisehoana ireo asa vita rehetra kosa no nizarana mari-pankasitrahana ho an'ireo sekoly mendrika 30, ka 6 amin'ireo no tao amin'ny CISCO Ambovombe, 14 ao amin'ny CISCO Tsihombe ary 10 ao amin'ny CISCO Beloha. Ny MEN sy ireo manampahefana no nifandimby nanome izay mari-pankasitrahana izay. Fa tao amin'ny kaominina Sihanamaro, CISCO Ambovombe kosa no nosokafana tamin'ny fomba ofisialy ny sahan-tsekoly voalohany na "ferme scolaire" mba hiadiana amin'ny tsy fanjariantsakafo sy hanampiana ny fampisakafoana antsekoly. Ny fikambanan'ny ray aman-drenin'ny mpianatra no miara-misalahy amin'ny fikarakarana azy. Nohon'ny fiaraha miasan'ny Tetik'asa MIANATRA, ny Governora Androy ary ny Minisiteran'ny fanabeazam-pirenena no nahafahana nanatontosa izany.
Maro no afaka ambolena eo amin'ity sahan-tsekoly ity toy ny legioma, ny voankazo araka ny vanim-potoana.
Ny "TETIK'ASA MIANATRA" moa dia tetik'asa miompana amin'ny fanatsarana ny fampidirana ny zaza an-tsekoly; ny fampisakafoana an-tsekoly; ny fametrahana tranom-boky anivon'ny sekoly sy ny zaridaina an-tsekoly izay enti-manampy ny zaza hisitraka sakafo maro loko hiadiana amin'ny tsy fanjarian-tsakafo; ny fanatsarana ny fotodrafitrasan-drano, ny fidiovana sy ny fanadiovana, ny fahasalamana an-tsekoly.
Galerie d'images
Cliquez sur une image pour l'agrandir.
