Logo Région Androy
MINISTRY OF THE INTERIOR AND DECENTRALIZATION

ANDROY REGION
Main Menu

CROS Région Androy – DEFIS

8 vues
16/10/2026

Nivory ny mpikambana ao amin’ny CROS Région Androy – DEFIS, na Komitim-paritra misahana ny fandrindrana sy ny fanaraha-maso ny Fandaharan’asa DEFIS, ho fanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny fandrindrana ireo hetsika tanterahina eto amin’ny Faritra Androy.

Notarihin’ny Fiadidian’ny Faritra Androy ny fivoriana, izay nahitana ny fandraisan’anjaran’ireo tompon’andraikitra sy mpisehatra samihafa, anisan’izany ny DDE Faritra, ny Fitaleavam-paritry ny Fambolena sy ny Fahavitan-tena ara-tsakafo, ny Sampan-draharaha misahana ny Fiompiana, ny Fitaleavam-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy, ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga, ary ny Tranoben’ny Tantsaha, ary ny Mpandrindra Iraisam-paritra ny Fandaharan'asa DEFIS,...

Natao ho sehatra iray hifanakalozan-kevitra sy handrindrana ireo hetsika mifandraika amin’ny fanatanterahana ny Fandaharan’asa DEFIS eto amin’ny Faritra Androy ity fivoriana ity.
Nifantoka indrindra tamin’ny fanaraha-maso ny fivoaran’ny asa, ny fandrindrana ireo hetsika ataon’ireo mpisehatra samihafa, ary ny famaritana ireo laharam-pahamehana tokony hohamafisina ny dinika.
Manana anjara toerana lehibe amin’izany ny CROS Région Androy – DEFIS, indrindra amin’ny fiantohana ny fifandrindran’ireo mpisehatra voakasiky ny Fandaharan’asa sy ny fanaraha-maso ny fanatanterahana ireo asa sy tanjona napetraka.

Nohamafisina nandritra ny fivoriana ihany koa ny maha-zava-dehibe ny fiaraha-miasa sy ny fifampitohizan’ny ezaka ataon’ireo mpisehatra rehetra. Tanjona amin’izany ny hahafahana manatanteraka amin’ny fomba mahomby ireo asa voafaritra ao anatin’ny Fandaharan’asa DEFIS, indrindra eo amin’ny fampandrosoana ny sehatry ny fambolena sy ny fanatsarana ny fari-piainan’ny mponina eto amin’ny Faritra Androy.

Amin’ny alalan’ny fandrindrana akaiky sy ny fanaraha-maso tsy tapaka ataon’ny CROS Région Androy – DEFIS dia antenaina ny hahazoana vokatra mivaingana sy maharitra, mifanaraka amin’ny filàn’ny mponina sy ny vina napetraky ny Fandaharan’asa DEFIS.

Izany fiaraha-mientana izany dia heverina ho iray amin’ireo antoka lehibe hahafahana manamafy ny fahombiazan’ny Fandaharan’asa DEFIS sy ny fandraisany anjara amin’ny fampandrosoana maharitra ny Faritra Androy.

Galerie d'images

Cliquez sur une image pour l'agrandir.

Commentaires

Aucun commentaire publié pour le moment. Soyez le premier !

Laissez un commentaire