Logo Région Androy
MINISTRY OF THE INTERIOR AND DECENTRALIZATION

ANDROY REGION
Main Menu
Actualité Régionale

FARITRA ANDROY – MITOHY NY FANARENANA NY LALAM-PIFANDRAISANA HO FANAMAFISANA NY FAMPANDROSOANA ENY IFOTONY

DISITRIKAN’I BELOHA ANDROY
11 Novambra 2026
Mitohy ny ezaka fanarenana sy fanatsarana ireo lalam-pifandraisana mampitohy ny kaominina sy ny fokontany samihafa eto amin’ny Faritra Androy. Tafiditra ao anatin’izany ny fanarenana ny lalana mampitohy ny Kaominina Ambanivohitr’i Beloha Androy sy ny Fokontany Lavanono, izay ao anatin’ny Kaominina Ambanivohitr’i Tranovaho, Distrikan’i Beloha Androy.

Manana anjara toerana lehibe amin’ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy ity lalam-pifandraisana ity, indrindra eo amin’ny fanamorana ny fivezivezen’ny mponina, ny fitaterana ireo vokatra avy eny amin’ny toerana famokarana mankany an-tsena, ary ny fampiroboroboana ny fizahan-tany ao Lavanono, izay anisan’ny mampalaza ny Distrikan’i Beloha Androy.

Tafiditra ao anatin’ny ezaka sy ny fandaharan’asan’ny Fitondram-panjakana Fanavaozana, tarihin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, #Kôlônely_Michaël_RANDRIANIRINA, izao asa fanarenana izao.

Tanterahin’ny Fiadidiana ny Faritra Androy, tarihin’ny Lehiben’ny Faritra, Andriamatoa #Dr_Djiby_FIRAVOA, izany, ho fanatsarana ny fotodrafitrasa sy fanohanana ny fampandrosoana miainga eny ifotony.

Anisan’ny tombontsoa kendrena amin’izao asa izao ny:
- Fanamorana ny fivezivezen’ny mponina sy ny fitaterana;
- Fanatsarana ny fitaterana ireo vokatra sy ny entana mankany an-tsena;
- Fanamafisana ny fifandraisana ara-tsosialy sy ara-toekarena eo amin’ireo kaominina sy fokontany voakasika;
- Fanohanana ny asa fiveloman’ny mponina;
- Fampiroboroboana ny fizahan-tany sy ny toekarena eny ifotony.

Tanjona ny hahazoana lalam-pifandraisana tsara sy maharitra, izay hanala ireo sakana amin’ny fivezivezena sy ny fitaterana, sady hanamora ny fifanakalozana ara-toekarena eo amin’ireo toerana samihafa.
🇲🇬 Isaorana ny Filohan’ny Fanavaozana Repoblikan’i Madagasikara, noho ny ezaka sy ny fanohanana rehetra ho fampandrosoana ny Faritra Androy.
Fampandrosoana miainga eny ifotony, ho tombontsoan’ny vahoaka.

FARITRA ANDROY : DIMY IZAY IRAY
Miroso hatrany amin’ny fanovana sy fanavaozana ho amin’ny fampandrosoana maharitra

Galerie Photo de l'Événement

6 photos

Cliquez sur une photo pour l'afficher en grand écran.

Commentaires & Réactions

Aucun commentaire pour l'instant. Soyez le premier à réagir !
Laisser un commentaire public