KfW – PAM & UNICEF : FITSIDIHANA ENY IFOTONY AO SIHANAMARO, FARITRA ANDROY
Sihanamaro, Faritra Androy
Tetikasa iarahan’ny PAM sy UNICEF, vatsian’ny KfW/BMZ.
Ny tetikasa dia tanterahina manomboka amin’ny taona 2022 ka hatramin’ny faran’ny taona 2027, any amin’ny Faritra Anosy (Ifotaka sy Tsivory), Faritra Androy (Sihanamaro) ary Faritra Atsimo-Andrefana (Itampolo).
Ny fandaharanasa dia mikendry ny hanamafisana ny fahampian-tsakafo, ny fanjarian-tsakafo, ny fahasalamana ary ny faharetan’ny fiveloman’ny mponina, indrindra ireo olona sy tokantrano marefo any amin’ny Grand Sud eto Madagasikara.
Mifototra amin’ny fomba fiasa mitambatra ny tetikasa, ka ahitana indrindra ny:
Rano fisotro madio, fanadiovana ary fahadiovana (WASH) ;
Fisorohana sy fitsaboana ny tsy fanjarian-tsakafo (Nutrition) ;
Fanatsarana sy fanamafisana ny fiveloman’ny tokantrano ;
Fanovana ara-tsosialy sy ara-pitondrantena (SBC) ;
Fanamafisana ny faharetan’ny fivelomana sy ny fahaiza-miatrika krizy ;
Fiarovana ara-tsosialy ho an’ireo olona sy tokantrano marefo.
Tao anatin’ity hetsika ity dia nisy ny fitsidihana ara-pomba fifanajana tao amin’ny Biraon’ny Faritra Androy, izay nandraisan’ny Tale Misahana ny Raharaha Amin’ny Ankapobeny (DAG) ireo delegasiona.
Taorian’izany dia nitohy tamin’ny fidinana ifotony tao amin’ny Kaominina Sihanamaro, izay anisan’ireo toerana iasan’ny tetikasa, ny fandaharam-potoana.
Natao indrindra ity fitsidihana ity mba hijerena mivantana ireo rafitra sy fomba fiasa iombonan’ny vondrom-piarahamonina, izay manampy amin’ny fanamafisana ny fahaleovantenan’ny tokantrano sy ny faharetan’ny fiarahamonina manoloana ireo zava-tsarotra sy krizy.
Nandritra ny fidinana ifotony dia afaka nijery mivantana ireo fomba anampiana ny mponina amin’ny alalan’ny vondrona mpitahiry vola, rafitra eny anivon’ny fiarahamonina ary fiofanana ara-teknika momba ireo asa fampidiram-bola ireo mpitsidika.
Ireo hetsika ireo dia natao hanampiana ny tokantrano hanatsara maharitra ny fari-pivelomany, hampitombo ny fahaleovantenany ary hanamafy ny fahaizany miatrika ireo dona sy krizy mety hitranga.
Ny fitsidihana eny ifotony dia nanome fahafahana ihany koa hijerena amin’ny alalan’ny zava-misy iainan’ny mponina ny vokatra azo avy amin’ity fomba fiasa mitambatra ity, ny fivoaran’ireo asa efa tanterahina, ary ny fifamenoan’ireo fandraisana andraikitra samihafa.
Nodinihina ihany koa ireo fepetra napetraka hiantohana ny fitohizan’ny vokatra sy ny tombontsoa azon’ny vondrom-piarahamonina, mba hahafahan’ireo asa sy rafitra napetraka mitohy mitondra vokatra maharitra na dia aorian’ny fahavitan’ny tetikasa aza.
Amin’ny alalan’ity fiaraha-miasa ity, ny KfW/BMZ, PAM ary UNICEF Madagascar dia manohy manohana ny ezaka fanamafisana ny faharetan’ireo mponina sy tokantrano marefo aty amin’ny Faritra Atsimo,ho amin’ny fahampian-tsakafo, fahasalamana, fivelomana maharitra ary fahaiza-miatrika ireo krizy.
Galerie d'images
Cliquez sur une image pour l'agrandir.
Aucun commentaire publié pour le moment. Soyez le premier !