09 Janoary 2026 - FANOLORANA VARY AVY AMIN'I FILOHA NY FANAVAOZANA NY REPOBLIKAN'NY MADAGASIKARA HO AN'NY MAREFO SY BEANTITRA an'ny Distrika ANTANIMORA
Publié le : 10/01/2026
Mitohy hatrany ny fitsidihana ataon'ny Lehiben'ny Faritra Androy ireo Distrika ka anjaran'ny ANTANIMORA indray izao
Araka ny fampanantenana nataon'i Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika ny Madagasikara, Kolonel Michaël RANDRIANIRINA dia nanatitra vary 200 lasaka ny Lehiben'ny Faritra Androy Dr RAHARIJAONA Djiby Jean Berthinot.
Fotoana ihany koa nitafany voalohany amin'ny mponina ANTANIMORA .
Nankasitra ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repobilikan'ny Madagasikara ny Lehiben'ny Faritra nametraka fitokisana aminy ho Lehiben'ny Faritra sy nahatsiaro manokana ny marefo sy ny beantitra ka nanome vary azy ireo.
Nisaotra ny Filohan'ny Fanavaozana ihany koa ny Ben'ny tanana Antanimora.
Nanotrona azy tamin'izany ny Lehiben'ny Fileovana Ambovombe, ny Lehiben'ny Distrika ny Antanimora ary ireo manam-boninahitra maro sivily sy miaramila ao an-toerana.
Tsy misy Distrika ho atao ankilabao hoy ny Lehiben'ny Faritra satria ny fandrosoan'ny Distrika dimy no miteraka fandrosoan'ny Faritra.
Hiaraka hampandroso ny Faritra Androy isika rehetra miaraka amin'ireo tanjon'ny FANAVAOZANA NY REPOBLIKAN'NY MADAGASIKARA ;
-Fahatoniana ho an'ny vahoaka ; -Fampandrosoana iarahana manao ;
-Ny vahoaka no masimandidy.
Mbola hoavy koa ny famangiany ireo Distrika hafa ato anatin'ny Faritra.
Manoloana ny olan'ny tambin-karama sefo fokontany dia hojerena ny fomba hanafaingana ny fandoavana izany.
Hojereny ihiany koa ny fampandrosoana an'ny Antanimora izay hiarahanantsika amin'ireo mpiara-miombonantoka rehetra.
Amin'izao Fanavaozana izao dia omena sehatra ianareo tanora Antanimora ary hapetraka tsara ny fomba hifanampiana amin'ny fampandrosoana sy fandraisana andraikitra ho an'ny rehetra.
ANDAO HO SAMBO IRAY HAMPANDROSO AN'NY ANDROY DIMY IZAY IRAY .
Galerie d'images
Cliquez sur une image pour l'agrandir.
