03 Martsa 2026-FANOHANANA ARA-TSAKAFO IREO MPIANATRA IZAY FIARAHA-MIASA @ PAM sy Koreana.
Publié le : 03/03/2026
- Manana anjara toerana eo amin'ny fahazotoan'ny mpianatra hianatra sy hifantoka antsekoly ny cantine scolaire ( sakafo hoan'ny mpianatra).
- Nijery ifotony ny zava-misy ny Ambasadaoro ny Koreana miasa eto Madagasikara sy solotena avy amin'ny PAM izay manohana aratsakafo sy ara-bola ny tetik'asa.
- Nanotrona azy ireo tamin'izany ny Lehiben'ny Faritra Androy Dr. RAHARIJAONA Djiby Jean Berthinot dit Djiby FIRAVOA.
- Ampahany amin'ny toerana nojereny ny tao amin'ny EPP Ankilimafaitsy, sy ny EPP Soatsifa.
- Hita arak'izany ny hafalian'ireo mpianatra misitraka ny tolotra ary ny ezaka ataon'ireo Ray aman-drenin'ny mpianatra hisitrahan'ny zanany trano fianarana manampy ny efa vitan'ny fanjakana.
- Misaotra manokana ny mpiara-miombonantoka (Fanjakana Koreana sy ny PAM) nanohana ireo mpianatra ARA-TSAKAFO; ary mbola miangavy ireo afaka hanampy momba ny fanamboarana trano fianarana ho fampandrosoana iaraha-manao.
Galerie d'images
Cliquez sur une image pour l'agrandir.
