Logo Région Androy
MINISTRY OF THE INTERIOR AND DECENTRALIZATION

ANDROY REGION
Main Menu

FANKALAZANA NY 14 OKTOBRA

6 vues
14/10/2026

ANTSOHIHY, FARITRA SOFIA | 14 OKTOBRA 2026

Nisongadina tamin’ny fankalazana ny Fetim-pirenena ho an’ny Fahafahana, notanterahina teto Antsohihy ny 14 Oktobra, ny matso lehibe nandraisan’ireo miaramila, zandary, polisy ary mpianadraharaha avy eto an-toerana sy avy any Antananarivo anjara.

Nandray anjara tamin’izao lanonam-pirenena izao ihany koa ireo solontenan’ny Faritra 24, ka isan’izany ny Faritra Androy. Teo ireo Zanak’Androy monina sy mitady ravinahitra eto Antsohihy, niaraka tamin’ireo solontenan’ny mpianatra avy amin’ny Faritra Atsimo izay manohy ny fianarany ao amin’ny Oniversiten’i Mahajanga.
Taorian’ny lanonana dia nihaona mivantana tamin’ireo solontenan’ny Faritra Androy ny Lehiben’ny Faritra Androy, Dr Djiby FIRAVOA, izay naneho ny fankasitrahany sy nisaotra azy ireo tamin’ny fandraisana anjara sy ny firaisankina nasehony.

Nofaranana tamin’ny fiaraha-miala hetaheta izany fotoana izany, ho mariky ny hafaliana sy ny firahalahiana, tao anatin’ny fankalazana ny Fetim-pirenena ho an’ny Fahafahana.

Galerie d'images

Cliquez sur une image pour l'agrandir.

Commentaires

Aucun commentaire publié pour le moment. Soyez le premier !

Laissez un commentaire