Logo Région Androy
MINISTRY OF THE INTERIOR AND DECENTRALIZATION

ANDROY REGION
Main Menu

Ambovombe ANDROY 06 Jolay 2026-FANADINAM-PANJAKANA BEPC ato ANDROY

76 vues
27/08/2026

Teo amin'ny ivotoeram-panadinana Lycée Ambovombe no nanombohana ofisialy izany, ho an'ny ato amin'ny DREN_Androy, anio marainan'ny 06 Jolay 2026.

Mpiadina miisa 6564 no miatrika ny fanadinana ato anatin'ny Faritra ANDROY raha 3107 amin'io no ato anatin'ny CISCO Ambovombe.

10 taona no zandriny indrindra raha 53 ny zokiny indrindra .

Teo anatrehan'ny manam-pahefana no nanokafana voalohany ny fonosana mirakitra ireo laza adina izay notarihin'i Lehiben'ny Faritra ANDROY Dr Djiby FIRAVOA, ny Lehiben'ny Fileovana Ambovombe, ny DREN Androy ary ireo tomponandraikitra ara-mpanjakana sy mpitandro filaminana.

Nirarisoa ary nankahery aniz'ireo hatrany ny Lehiben'ny Faritra mba ho tony sy hahita fahombiazana.

Nizotra am-mpilaminana ny fanombohana izany tamin'ny valo ora maraina.

Mirary soa sy fahombiazana ho an'ny zaza Malagasy rehetra indrindra ny ato amin'ny Faritra Androy.

Galerie d'images

Cliquez sur une image pour l'agrandir.

Commentaires

Aucun commentaire publié pour le moment. Soyez le premier !

Laissez un commentaire