Ambovombe 21jiona 2026-Vavaka FIRAISAMPINOANA fankalazana ny 66 taona niverenan'ny fahaleovantena. Malagasy FARITRA ANDROY 🇲🇬
FANAVAOZANA HO AN'NY FANDROSOANA AN'I MADAGASIKARA✨
Vavaka iraisam-pinoana no nanombohana ny fankalazana ny niverenan'ny fahaleovan-tena Madagasikara teto amin'ny Faritra Androy.
Nitarika izany ny avy amin'ny FFKM izay nitondrana ambavaka ny firenena , ny mpitondra ary ny vahoaka .
Natao tao amin'ny Fiangonana ECAR Ambovombe ny fiombonam-bavaka.
Tonga nanotrona izany ny Lehiben'ny Fileovana Ambovombe, ny avy amin'ny Faritra Androy , ny mpalotsaina manokana ny Fanavaozana ny Repoblika ,ny Ben'ny Tanana Ambovombe , ireo manam-boninahitra sivily sy miaramila ary ireo vahoaka niara- nivavaka.
Sambatra ny firenena manana AN'I JÉHOVAH HO Andriamaniny
Galerie d'images
Cliquez sur une image pour l'agrandir.
Aucun commentaire publié pour le moment. Soyez le premier !