Logo Région Androy
MINISTRY OF THE INTERIOR AND DECENTRALIZATION

ANDROY REGION
Main Menu

FIDINANA IFOTONY TAO TSIRANGOTY -FITSIDIHANA NY TOERANA HANATANTERAHANA NY TETIKASA FAMADIHANA NY RANOMASINA HO RANO MAMY HO FAMATSIANA AN'I AMBOVOMBE ANDROY

91 vues
27/08/2026

Ho fanatanterahana ny vina napetraky ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasika Kolonely Michaël RANDRIANIRINA, amin'ny fanatsarana ny fahazoan'ny vahoaka rano fisotro madio, dia nanatanteraka fidinana ifotony tao Tsirangoty ny delegasiona mba hitsidika ny toerana hanatanterahana ny tetikasa famadihana ny ranomasina ho rano mamy (dessalement), izay hamatsiana rano fisotro madio ny tanànan'Ambovombe.

Notarihin'Andriamatoa Lehiben'ny Faritra Androy ity fitsidihana ity, niaraka tamin'ny Mpanolotsaina Manokan'ny Filohan'ny Repoblika misahana ny fanavaozana, ny Préfet, ny Tale Jeneralin'ny AES, ireo Talem-paritra eto Androy, ary ireo teknisianina isan-tsokajiny voakasiky ny tetikasa.

Nandritra ny fidinana ifotony dia:
Nojerena ny toerana hametrahana ireo fotodrafitrasa. Natao ny fanombanana ara-teknika.
Nifampidinihana momba ireo dingana sy paikady hanatanterahana ny tetikasa, mba hiantohana ny fahombiazany sy ny faharetany.

Dingana lehibe eo amin'ny fanomanana ity tetikasa goavana ity izao fitsidihana ifotony izao. Maneho ny fiaraha-mientan'ny Fanjakana sy ireo sampandraharaha rehetra voakasika izy, amin'ny fikatsahana vahaolana maharitra ho an'ny famatsiana rano fisotro madio, ho tombontsoan'ny mponina ao Ambovombe sy ny Faritra Androy.

Tsy natao ho an'ny Rano fisotro madio ho an'ny mponina ihany, fa ao koa ny fanondrahana ny tanim-boly ary ny fisotron'ireo biby fiompy.

Galerie d'images

Cliquez sur une image pour l'agrandir.

Commentaires

Aucun commentaire publié pour le moment. Soyez le premier !

Laissez un commentaire