27 Janoary 2026 - ASAM-PITA ARA-PANAVAOZANA ETO AMBOVOMBE TARIHIN’NY LEHIBEN’NY FARITRA ANDROY
Publié le : 06/02/2026
Ho fiaraha-mientana ara-panavaozana ao anatin’ny fahadiovana dia nanatanteraka ”ASAM-PITA ARA-PANAVAOZANA” ny teto anivon’ny Renivohitrin’ny Faritra Androy , Kaominina Ambonivohitra Ambovombe , Fokontany Berary.
Nitarika izany ny Lehiben’ny Faritra Dr RAHARIJAONA Djiby Jean Berthinot dit Djiby FIRAVOA, niaraka amin’ireo mpiasam-panjakana sy mpiara-miombonantoka ary ny Ben'ny tanana Kaominina Ambonivohitra Ambovombe sy ny mpiara-miasa aminy.
Tanàna madio no antoky ny fahasalamana ary tsy ho farany izao hetsika izao fa ho tohizana manerana ny Distrika 4 sy manerana ny Kaominina rehetra ato amin’ny Faritra .
Aoka samy ho modely isika rehetra na mpitondra na mpitarika na vahoaka ka hanohy ny ezaka aram-panadiovana fa ny fampandrosoana dia iaraha-manao.
Galerie d'images
Cliquez sur une image pour l'agrandir.
