JIRAMA AMBOVOMBE !
Logo Région Androy
MINISTÈRE DE LA DÉCENTRALISATION ET DE L'AMÉNAGEMENT DU TERRITOIRE

REGION ANDROY
Menu Principal

JIRAMA AMBOVOMBE !

Publié le : 30/09/2025

Nijery ifotony teny amin'ny tobim-pamokarana herinaratra JIRAMA ny Goverinora ny Faritra Androy sy ny solotenan'ny OMC eto Ambovombe Androany.

Marihina fa fanindroany izao taorian'ny dia niarahana tamin'ny solotenan'ny Préfet sy ny Solotenan'ny Solombavambahoaka Ambovombe Androy, ny eo anivon'ny OMC sy ny Talemparitry ny Serasera.

Hita taratra arak'izany fa mandroso ny asa ary hiroso amin'ny andrana anio alina ny tompon'andraikitra.

Tohin' ny fifampiresahana n'ireto farany tamin'ny ekipan'ny JIRAMA tarihin'ny Talém-Paritra ary ny Teknisiana avy any Antananarivo dia ny Alakamisy zao no hiverina amin'ny laoniny ny Jiro eto Ambovombe .

Manentana antsika hatrany amin'ny faharetana, sy hiandry ampitoniana ny fandehanan'ny Jiro eto Ambovombe ny Goverinora'ny Faritra Androy.

Vidéos