Fikaonan-doha stratejika ho fanamafisana hatrany ny fifandraisana diplomatika eo amin'ny firenena Malagasy sy ny firenena sinoa
Logo Région Androy
MINISTÈRE DE LA DÉCENTRALISATION ET DE L'AMÉNAGEMENT DU TERRITOIRE

REGION ANDROY
Menu Principal

Fikaonan-doha stratejika ho fanamafisana hatrany ny fifandraisana diplomatika eo amin'ny firenena Malagasy sy ny firenena sinoa

Publié le : 07/07/2025

Nihazo ny Repoblika entim-bahoaka ny Sina ireo Goverinoram-paritra hiatrika ny fikaonan-doha stratejika ho fanamafisana hatrany ny fifandraisana diplomatika eo amin'ny firenena Malagasy sy ny firenena sinoa.

Lalan-tsaina ao anatin'izao fitsidihana izao ny fanamafisana traikefa sy fahaiza-manaon'ireo tompon'andraikitry ny fampandrosoana eny anivon'ny faritra tsirairay eto Madagasikara hanabeazana voho ny fahaiza-mitantana isam-paritra ka hiteraka ainga vao eo amin'ny sehatry ny fampandrosoana satria iarahana mahalala ny dingan-dava ataon'ireo sinoa amin'ny resaka fandrosoana.

Haharitra andro maromaro ny izao fitsidihana arahin'asa izao izay iarahana amin'ireo tompon'andraikitra ambony eo anivon'ny Minisiteran'ny fitsinjaram-pahefana sy fanajariana ny tany tarihand-Ramatoa Sekretera jeneraly ary voasolo-tena ny faritra ANDROY amin'ny alalan'Atoa MOSA Tatasoa Goverinoran'ny faritra.

Galerie d'images

Cliquez sur une image pour l'agrandir.