Logo Région Androy
MINISTRY OF THE INTERIOR AND DECENTRALIZATION

ANDROY REGION
Main Menu

Fikaonan-doha stratejika ho fanamafisana hatrany ny fifandraisana diplomatika eo amin'ny firenena Malagasy sy ny firenena sinoa

145 vues
07/07/2025

Nihazo ny Repoblika entim-bahoaka ny Sina ireo Goverinoram-paritra hiatrika ny fikaonan-doha stratejika ho fanamafisana hatrany ny fifandraisana diplomatika eo amin'ny firenena Malagasy sy ny firenena sinoa.

Lalan-tsaina ao anatin'izao fitsidihana izao ny fanamafisana traikefa sy fahaiza-manaon'ireo tompon'andraikitry ny fampandrosoana eny anivon'ny faritra tsirairay eto Madagasikara hanabeazana voho ny fahaiza-mitantana isam-paritra ka hiteraka ainga vao eo amin'ny sehatry ny fampandrosoana satria iarahana mahalala ny dingan-dava ataon'ireo sinoa amin'ny resaka fandrosoana.

Haharitra andro maromaro ny izao fitsidihana arahin'asa izao izay iarahana amin'ireo tompon'andraikitra ambony eo anivon'ny Minisiteran'ny fitsinjaram-pahefana sy fanajariana ny tany tarihand-Ramatoa Sekretera jeneraly ary voasolo-tena ny faritra ANDROY amin'ny alalan'Atoa MOSA Tatasoa Goverinoran'ny faritra.

Commentaires

Aucun commentaire publié pour le moment. Soyez le premier !

Laissez un commentaire