Logo Région Androy
MINISTRY OF THE INTERIOR AND DECENTRALIZATION

ANDROY REGION
Main Menu

Ambovombe 01 Jiona 2026-FIHAONAN'NY LEHIBEN'NY FARITRA SY NY LEHIBEN'NY FILEOVANA TAMIN'IREO SEFO FOKONTANY TETO AMBOVOMBE

77 vues
27/08/2026

Nitafa sy nidinidinika tamin'ny Sefo Fokontany sy ny lefiny ny LEHIBEN'NY Faritra Androy Dr RAHARIJAONA Djiby Jean Berthinot notronin'ny Lehiben'ny Fileovana Ambovombe sy ny mpanolotsaina Teknika ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika ary ny mpiara-miasa aminy eo anivon'ny Faritra.

Nivoitra nandritra ny Fifampiresahana ny andraikitra sahan'ny Sefo Fokontany sy ny lefiny amin'ny fampandrosoana ny fokontany iadidiany.
Nofaritany mazava fa araka ny didy aman-dalàna misy ankehitriny dia tendrena izy ireo ka ny Lehiben'ny Fileovana irery ihany no manao sonia ny fahendrena azy ireo fa tsy tokony hisy olon-kafa hisalovana andraikitra momba izany sy hibaiko azy ireo.

Iangaviana arak'izany ireo tsy ara-dalàna hanaraka ny lalàna napetrakin'ny Ministeran'ny Atitany sy Fitsinjaram-pahefana ary hanantona ny Lehiben'ny FILEOVANA hijery ny taratasim-panendrena mifandraika amin'izany.

Tokony hiara -hientana hatrany koa izy ireo amin'ny fanatanterahana ny politikam-pampandrosoana FANAVAOZANA ankehitriny sy hiara-miasa amin'ny Faritra hisian'ny fitsinjaram-pahefana mipaka eny ifotony.

Hiara-hientana amin'ny fanjakana mijoro ankehitriny ary isika eny anivon'ny fokontany mandritra ny fankalazana ny fahaleovan-tena izao ho fetimpirenena ho an'ny rehetra ARAPANAVAOZANA.

Galerie d'images

Cliquez sur une image pour l'agrandir.

Commentaires

Aucun commentaire publié pour le moment. Soyez le premier !

Laissez un commentaire